17/06/2026
๐๐๐๐๐ผ๐๐ผ ๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐ฝ๐ผ๐๐
Amin'ny kolontsaina malagasy, ny vintana dia heverina ho hery na firindrana miafina mamaritra ny toetra, ny lalana ary ny zava-mitranga eo amin'ny fiainan'ny olona iray. Matetika izy io dia ampifandraisina amin'ny fotoana nahaterahana, ny andro, ny volana ary ny toerana misy ny olona eo anivon'ny tontolo ara-panahy sy ara-nofo.
๐๐ฒ ๐ฏ๐ข๐ง๐ญ๐๐ง๐ ๐๐ข๐ ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐ฏ๐จ๐๐ญ๐๐ซ๐ฒ ๐ก๐จ "๐ญ๐ฌ๐๐ซ๐" ๐ง๐ "๐ซ๐๐ญ๐ฌ๐ฒ" ๐๐จ๐ญ๐ฌ๐ข๐ง๐ฒ, ๐๐ ๐ฆ๐๐ง๐๐ง๐ ๐ง๐ฒ ๐ญ๐จ๐๐ญ๐ซ๐๐ง๐ฒ ๐ญ๐ฌ๐ข๐ซ๐๐ข๐ซ๐๐ฒ ๐ฆ๐๐ฆ๐ฉ๐ข๐๐ฏ๐๐ค๐ ๐๐ณ๐ฒ :
๐ Misy vintana manintona harena sy fahombiazana.
๐ Misy vintana manome hery fitarihana sy fahefana.
๐ Misy vintana mifandray amin'ny fahendrena sy fahalalana.
๐ Misy vintana mila fanitsiana na fanamafisana amin'ny alalan'ny fomba amam-panao.
๐๐ฎ ๐๐ค๐ข๐๐๐ฃ'๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐
๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ง๐ค๐๐ฃ๐
Ny mpanandro no mandinika ny andro sy ny fotoana nahaterahana mba hamantarana ny vintan'ny olona ka mamaritra ny fomba sy fanao mifandray amin'izay hitany fa mahasoa sy mahatsara ka misy ny :
๐ ๐๐ฅ๐ ๐๐๐๐ข๐ญ๐ซ๐ ๐ฌ๐ฒ ๐
๐๐ง๐๐ฆ๐๐ฌ๐ข๐ง๐๐ง๐ ๐๐ซ๐ฒ ๐
๐ข๐ญ๐ฌ๐จ๐๐๐ง-๐๐ซ๐๐ง๐จ
๐๐ข๐ฌ๐ฒ ๐๐จ๐ฆ๐๐๐๐จ๐ฆ๐๐ ๐๐ญ๐๐จ ๐ก๐๐ง๐๐ฆ๐๐๐ข๐ฌ๐๐ง๐ ๐ง๐ฒ ๐ฏ๐ข๐ง๐ญ๐๐ง๐ ๐ญ๐จ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐๐ฅ๐-๐๐๐๐ข๐ญ๐ซ๐ :
๐น Fandroana amin'ny rano sy ravina masina.
๐น Fitondrana vakana.
๐น Fanolorana hasina amin'ny Razana sy Zanahary.
๐ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ข-๐๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐
Ny fanajana ny fadin'ny vintana dia efa fomba iray hitazonana ny firindran'ny vintana sy hisorohana ny sakana satria misy fadiny daholo ny vintana 12 .
Ampifanarahana tsara aminy zavatra atao ny fipetraky ny vintana taminy andro nahaterahana sy ny vanim-potoana iainana ankehitriny ,ampifanarahana amin'ny ๐๐ข๐ณ๐จ๐ญ๐ซ๐๐ง'๐ง๐ฒ ๐ญ๐จ๐ง๐จ๐ง'๐๐ง๐๐ซ๐จ ,๐ง๐ฒ ๐ฏ๐จ๐ฅ๐๐ง๐,๐ง๐ฒ ๐๐ฌ๐ ๐๐ฆ๐๐ง-๐๐ซ๐๐ก๐๐ซ๐๐ก๐ ๐ฌ๐๐ก๐๐ง๐ข๐ง๐ .
Maro ny fomba atao isam-bolana sy ao anaty taona mba hanavaozana sy hanamafisana ny herin'ny vintana. Araka ny fahendrena nentin-drazana dia ilaina ny mijery andro sy manadihady misimisy kokoa momba izany ara-panandroana .
Ilaina ihany koa ny :
๐ Ny finiavana.
๐ Ny asa sy ezaka atao.
๐ Ny fahendrena amin'ny fanapahan-kevitra.
๐ Ny fifandraisana amin'i Zanahary, ny Razana ary ny fiarahamonina .
"Ny vintana tsy azo sakanana , fa ny asa no enti-manarina azy."
Midika izany fa na tsara aza ny vintana, na ratsy vintana ,na inoana fiasan'ny vintana,dia mila ezaka sy fahaiza-manao rehefa mitondra azy mba ahasoa .