23/07/2026
❤️😊Faly tafiaraka aminareo eto indray ny ekipan'ny Jardin d'Émotions
👉Fanampiana ho an' ireo vao hamboly voninkazo amin'ny pot no atolotray anareo anio.
1- Fikarakarana ny pot
* Pot plastika
Lavahana amin'ny vy maranitra avy nodorana tamin'ny afo ny fanambaniny
* Pot tany
Asiana rano kely ao anaty pot vao lavahana mba tsy hahavaky azy
2- Tany hambolena (substrat)
Miova arakaraky ny karazam-
boninkazo hambolena ny substrat ampiasaina
3- Fomba fambolena
Asiana substrat ny 1/2 na 2/3 pot, vao atsatoka eo afovoany ny voninkazo, totofana tsara ny manodidina ny fakany, tsy atao
mihoatra ny fotony ny substrat, ary tsy atao feno ny pot
4- Fanondrahana
Tondrahana moramora. lavahana maromaro amin'ny fanjaitra vaventy ny sarona tavoahangy plastika atao solona pulvérisateur
💯 Mahasalama sy mahafinaritra ny miaina amin' ny
🌿Tontolo maitso sy madio🌿