Mampita Soa-Arts

Mampita Soa-Arts Arts

Salama daholo oMisy namako manana fo hoan'ny tanora, na ankizy ve ato? Misy namako tia manome tanana ny olona tsy mahay ...
23/08/2026

Salama daholo o
Misy namako manana fo hoan'ny tanora, na ankizy ve ato? Misy namako tia manome tanana ny olona tsy mahay mamaky sy manoratra ve? Na namako afaka manohana ankizy amin'ny fianarana? Na manome zavatra mety mbola afaka hampiasaina hianarana vaovao na tranainy?
Mety mba afaka mifanohana amiko ve ianareo?

Hiditra hianatra indray izao ny mpianatra. Tamin'ny taom-pianarana teo dia taratasy tato afaka nanoratana no nataonay "brouillons" nianarana sy nampianarana nampiakarana ny basen'ny ankizy sy naovana sarisary nampiakarana ny fahaiza-mifantoka. Na izany aza dia hita fa tsy tena afaka nifantoka ny ankizy satria ny mpandalo rehetra dia nanelingelina azy ireo. Teny akalamanjana rehetra teny izahay mantsy no nianatra.
Nampidirina tato@ tranokelinay avy eo dia nefa tena nanahirana betsaka ny olana nosedraina.
Ilain'izy ireo anefa ilay tositosika kely na momba ny fianarany na ny fahaiza-miaina hoentiny miaina... Maromaro vitsivitsy izy ireo no misitraka ny fanohananay, misy raisina miaraka fa misy no raisina manokana...arakaraka ny zava-misy. Sokajiana araka ny ilaina aminay na ny kilasy misy azy koa.

Noho izany dia nanao vina "chalet" kely izahay mba hifantohan'izy ireo kokoa. Amin'ity indray dia briky tany no hoampiasaina atao rindrina, "bois ronds" efa niasa sy "planches" no ho ezahina atao amin'izay tandrify azy. Ny tafo mbola vao hoheverina satria raha bozaka hono dia fatoran'entana maromaro ny tsy mahay manisa vao mety ho ampy. Ny karaman'ny mpiasa hanao azy. Ny dallages koa etsy andaniny... Efa misy zavatra ato hahafahana mihainga satria efa nisy nataonay, misy efa hananana koa fa misy ny mbola tsy an-tanana mihitsy.

Izy io dia heverinay hoampiasaina amin'izay mampety azy koa avy eo hampiodonana ny asa noeritreretina atao amin'ireo olona mila izany sy ireo mifanampy aminay ao anatiny...

Mp ary izay mila fanazavana fanampiny.
Mba partager-o raha mba sitrakao hifanohanana amin'ny mpiara-belona amintsika.

Faty olona etsy, halatr'olona, vakitrano, halabotry, adi-pinoana, adi-politika, kolikoly, ady mivady, korotam-pianakavia...
27/07/2026

Faty olona etsy, halatr'olona, vakitrano, halabotry, adi-pinoana, adi-politika, kolikoly, ady mivady, korotam-pianakaviana...

Efa saika tsy hiresaka ihany. Fa mampalahelo ny zava-misy. Mila vavaka ny firenena, ny ankohonana fa ny isa-batan'olona indrindra koa. MILA MIVAVAKA hoan'ny rehetra ny zanak'Andriamanitra ary mila mitsangana miady amin'ny fanahin'ny fanapahana eny amin'ny rivotra. Manitsaka ireo endrika maingoka sy menarana rehetra amin'ny fahefana izay natolotr'i Jesosy tamin'ny alalan'ny rà nalatsany ho antsika teny ambony hazofijaliana. Maty Kristy mba ho avotra ho antsika. Mila mivavaka amin'ny finoana izay hoenti-mandresy.

Betsaka ny ratsy raha tsy hijery afa-tsy ny halatr'olona, firifiry moa no tsy hita. Ary izay miresaka ny haratsiana nampiarina taminy raha hita ka tojo ireo tsy mifaditrovana dia tsapa fa maty fanahy mbola velona ireo olona mpanao ratsy.
Tsy matahotra an'Andriamanitra intsony ny ankamaroin'ny olona ary tsy matahotra tody na tsiny...hoan'ny taranany koa. Very rafahendrena, tsy eo intsony ny fanahy maha-olona.
Vitsiana sisa ny olona mahay sy manam-pahaizana manan-talenta no manam-pahendrena. Arak'izay koa dia zara raha misy sisa ny olona manam-panahy ary ny manahirana dia araraotin'ny olona koa izy ireny ka anjary mialany tamingana.
Tsy misy intsony ny azo hitokisana araka ny voasoratra hoe lozan'izay mitoky amin'olona.
Firiana ireo olona mivadika amin'ny tena ary tena marary amin'ny aina tokoa. Mandona ny fo sy ny any anaty lalina rehetra any. Manjaka ny fitiavan-tena sy ny fakana ny hoazy avy.
Tsy halatr'olona ihany anefa no tsy rariny mianjady amin'ny fiainana hiainantsika fa maro ny fisehon'ny fampijaliana sy fanakorotanan'ilay ratsy ary fanapotehana ataony. Misy hita miharihary fa misy ny misoko mangina ka tsy fantatra. MIVAVAHA.

Mila mailo, mila mitandrina arak'izay azo atao fa indrindra MILA MIANKINA AMIN'ANDRIAMANITRA dia MIVAVAKA HATRANY fa ny mpangalatra tsy avy raha tsy hamono sy handringana ary tsy mampilaza izy na mampiomana. Ary aoka hifampitondra am-bavaka sy hivavaka hoan'ny hafa isika. Aoka ho mahitsy sy marina isika eo anatrehan'Andriamanitra no faratapony fa ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra, ary ny fivavaky ny maro mandrodana ny ratsy. Ary mandringana azy tsikelikely. Aza reraka na hanaovana lazon'ady aza. Betsaka ny tsipika alefan'ny fahavalo ary ny mandreraka indrindra dia mazàna ny akaiky antsika no hampiasainy. Aza manaiky lembenan'ny ratsy, aza manaiky lemen'ny ratsy.

Sarotra anefa izany satria olona ihany kanefa eo indrindra no hidiran'ny Fanahy Masina an-tsehatra raha mangetaheta ny fihavanana amin'Andriamanitra, fiadanana isika ka liana amin'ny fifandraisana sy fandrosoana marina eo amin'ny fiainana. Ny Fanahy Masina tena manampy antsika handresy amin'ny adintsika rehetra eo amin'ny fiainantsika andavanandro rehefa avy mihavana amin'Andriamanitra isika ao aorian'ny handraisantsika an'i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ary Mpanjakantsika isika. Hinontsika ny fahafatesany sy ny fitsanganany mba hamonjena antsika amin'ny fahotantsika. Manampy amin'ny safidy, fanapahan-kevitra, toro-lalana... Ny ady misy, ny fahasarotana mandalo fa REHEFA samy MISOKATRA NA MANOKATRA NY FONTSIKA SY NY FANAHINTSIKA, NY AMINTSIKA REHETRA HO AN'ANDRIAMANITRA ISIKA, INONA MOA NY ZAVATRA TSY HAIN'ANDRIAMANITRA? INONA NY ZAVATRA TOA SAROTRA LOATRA AMINY KA TSY VITANY?...samia mahery, samy misikina hiatrika ary hiady. Aza kivy aza ketraka na inona na inona miseho ary tandremo tsy ny olona rehetra no namana. Tsy ny olona rehetra no akaiky antsika ka tandremo ny fo. JESOSY ilay ZANAN'ANDRIAMANITRA VELONA, IZY NO TENA TOKONY HO NAMANTSIKA AKAIKY INDRINDRA, tsy namana fotsiny fa tena ZOKY, SOLON'IREO TOKONY HIARO ANTSIKA ary azo hianteherana amin-javatra rehetra.

Mitohiza mandroso, mitohiza miady. Mifanampia amin'izay azo hifanampiana ary aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa fa tsy ny olona no hantenaina hamaly soa. Mahavita izy ireo isaorana azy fa ny valim-pitia tena handrasana dia avy amin'Andriamanitra. Na izany aza ry zareo dia rehefa misy olona manao zavatra tsara amintsika dia mba omeo lanja ihany fa izay no atao hoe fifanandratana sy fifanajana. Tsy mora ny ady ary tsy an-jaza.

Aoka hifandray tanana, ho iray ireo mahtsapa sy milaza fa tenan'i Kristy rehetra, tsy ho lany fotoana mifanenjika sy mifaninana. Aoka hiraihina ny fiangonana fa tsy lany andro mifanadroadro.
Aoka hahery, aoka tsy ho lany tamingana ny olon'ny fanahy. Aoka tsy ho ritra tsy misy intsony ireo olona tsara. Ary aoka tsy ho foana ireo olona mahafinaritra, mpanangana, mpanao asa tsara,ny mpandrava ny ratsy,... aoka tsy ho valaketra na ho valalanina.

Mahasahy miady my ady tsaran'ny finoana.

Mirary soa hoan'ny rehetra. Mbola lavitra ny lalana, lavitra ny hoaleha. Tena mbola lavitra ny dia.

Mandrivotra be aty aminay, bonisansa daholo ny mpanal BACC dia manaova mafana tsara an.Betsaka ny nanala fanadinana, mis...
19/07/2026

Mandrivotra be aty aminay, bonisansa daholo ny mpanal BACC dia manaova mafana tsara an.

Betsaka ny nanala fanadinana, misy aza efa nivaly fa ity mba nisy fijoroana vavolombelona hitako tany ho any dia mba nadikako zaraina eto.

Somary lavalava fa vitao hatramin'ny farany.
Mirary soa hoan'ny mpanala Bacc

Tsy natahotra mihitsy zah t@ bacc 😁🥰🙏🏻
J-3 ny Baccalauréat 🥰 misy zavatra tataraiko anareo sady encouragement ho an' izay hiatrika fanadinana 🙏🏻🥰

Tam taona 2020 - 2021 zah no nanala bacc 😍
Zavatra tena hafa teo am fiainako ilay izy sady tena nahatsapako ny hoe fomban' ANDRIAMANITRA manokana 🙏🏻
Vao 2 mois avant bacc zah dia nitaintaina be "" ataoko ahoana re ny fomba hanaovako an'zany bacc zan 😂😂
Inona no ivoka any 😂😭
Dia tena oe mianatra eh 😂💪🏻 ( tsy nanao cours zany satria tsy manambola fa mande mianatra aza mbola mandeh tongotra 2h aller retour 😢💪🏻 + ny tenin dada hoe ra tsy afaka eo dia mijanona fa mandany vola 😂😂😭😭= fampihorohorna 😂😂) ny cahier ilay France reny 😂😂😂 dia malahelo fa vao gomina le izy dia rovitra 😂😂😂fa vomaika napiezaka be le izy hoe ndao fa vita io dia tsy hanoratra am reny tsony😂😂😭

( 4 zahay no mpinamana ,, fa zah rery no nitokana tany am Lycee fa izy 4 tam EPP 😭😂 dia hoy aho t@ Neny ,, na zah rery no afaka na zah rery no tsy afaka 😭😂 fa misy dikany zao zah atokana zao ) 😂😭
Isan'andro dada tsy maitsy miteny hoe in- 1 mandeha Fanja dia vita ah😍😁💪🏻aza manaiky 😂😂😭( otran hoe izy no hanao anle izy 😂😂 d otran tena mora be le izy )
Somary lavitra miala ny tanàna ( CARION ) ny Centre d' examen t@ zany , dia alahady dia miainga ,fa tsy tratra raha lundi 🤧 (MANJAKANDRIANA )

Alahady iaingana @ zay ,, tena efa vonona andeha zah sy Neny 🏃🏻‍♀️❤
Niakatra hanasa tarehy zah dia nanao hoe "" aleo aloha hihaino radio faraparany fa tena matahotra be zah zany 😭😢"" ,, dia nalefako ny radio ( 105.6)
Vao velona ilay radio dia hiran' i Bary's "" ADIDIKO IANAO"" no nandeha tao ❤🙏🏻
Tena tsy fantako fa nigogogo nitomany ah sady nipetraka teo amoropatana 😭 ,,,, tsy ny tahotro nefa fa ilay hoe :
"" Adidiko ianao , Izaho no miahy anao ,,avia ZanaKo ❤""

Velom- panatenana vetivety teo zah 🙏🏻 otrany hoe nisy zavatra firy kg nesorina tamiko 🤧🤭
Tapitra ilay hira dia nofafako ny ranomasoko dia nitsangana aho sady niteny oe :: "" zay zany Jesosy an,, iaraka anao an' ilay fanadinana tsika fa adidiNao zah 🙏🏻""

Nahery tampoka teo zah ,, tsy nisy tahotra tsony na dia kely aza 🥰 ,,, nandeha ny fanadinana ( isaky ny misy taratasim-panadinana tonga dia mivavaka hoe , io le izy Jesoa dia ampio zah hamita azy "" , tsy natahotra mitsy ah na dia kely aza ,, vita ihany le izy ,,,, fa nahagaga fa na ny valiny aza tsy natahoatra koa na kely aza niandry ny valiny😁
Miresaka ny ao antrano hoe tsy fantatra zah na afaka na tsia nefa tenaina sahady ny tablier 😂😂😂 dia niteny tsara zah hoe , efa any nenarako fa afaka zah eh,,, tsy hiverina any ambanitsena zany tsony zah 😂😭( leo mandeh tongotra ko manko 😂😂😂)

Dia aza mandihy tsy afa-tavony hono 😂😭 fa tsy niasa saina zah fa ilay Adidiko ianao no tao an-tsaina ❤🙏🏻
Vao niteny zokinay hoe afaka ""Njafà😂❤ ,( surnom😂😭) dia lasa nandohalika nivavaka nisaotra an'i Jesoa 🙏🏻

( AFAKA ZAH 🥰 ) tena hoe zah rery taminay 4 😢

Faly sady nalahelo satria tadidiko tamzany fa avy nisakafo atoandro izahay refa mianatra any AMBANITSENA d ia mifandimby mivavaka eo ambodin' ilay sapin be zay , ,,, mitondra ambavaka ny bacc ho avy 🙏🏻🥹 dia hoe :: rehefa afaka daholo tsika dia niverina eto daholo dia ivavaka isaotra an' i Jesosy 🙏🏻🥹 saingy zah rery 😞😢🥰

Hafatra 🥰( tsy izay hanao fanadinana rery fa ho antsika rehetra )

Mahay fahagagana ANDRIAMANITRA 🙏🏻 , zavatra tsy takatry ny sainao sy tsy eritrertinao , ataony amin ny fiainanao 🙏🏻

Aza adino mivavaka, na inona inona ataonao sy kasainao atao , fa ANDRIAMANITRA miteny mivantana aminao ary mamaly ny vavakao 🙏🏻

Ataovy lavitra ny tahotra , ahiahy , tebiteby ,, horohoro ,fa apetrao aminy ny fiananao 🙏🏻

Mety hiatrika fanadinana koa ianao dia matahotra sy mitaintaina fa zao :: mivavaha dia mangataha tolotsaina avy aminy fa hanampy anao Izy 🙏🏻❤

Aza adino mivavaka alohan'ny hivoka ny trano , mametraka ny dianao sy ny fanadinana ataonao ( na ny asa ) ,, aza adino mivavaka rehefa tonga eo aminao ilay taratasim-panadinana 🙏🏻
Courage aby ho an'izay hanao fanadinana rehetra ,, dia mahereza hatrany am asa izay efa miasa ,, aza adino fa avy tamin'i Jesoa daholo zay anananao rehetra ,na ny asa aza ,, dia apetraho aminy 🙏🏻

Ndraindray isika manadino Azy fa Izy tsy mbola nanadino na in-1 maraina aza ka tsy namoha anao tamin' ny torimasonao ,matoa ianao mbola velon' aina mamaky ity 🙏🏻🥹

Tena ilaina ary manandanja be amin ny fiainatsika ny Vavaka 🙏🏻 fifanakaikezanao amin' ANDRIAMANITRA
Aza be fanahiana fa hanampy anao ANDRIAMANITRA 🙏🏻❤
Efa misy lâmina nomanin' ANDRIAMANITRA ho anao 🙏🏻
MIRARY SOA DIA MAHEREZA HATRANY , TAHIAN'I JESOA❤🙏🏻
Rohay amn ny anaran'i Jesoa ny devolin'ny tahotra rankizy an🙏🏻

VONINAHITRA HO AN' ANDRIAMANITRA 🙏🏻

Bonne chance rankizy an❤🙏🏻

Tonombavakao soraty ao@commentaire ho an'io namanao ,zandrinao , zokinao , zanakao io mihitsy ❤🙏

Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana* no hany malala teo imason'ineny. [*Hebreo: malemilemy] — Ohabolana 4 : 3 I Dada dia andr...
21/06/2026

Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana* no hany malala teo imason'ineny. [*Hebreo: malemilemy] — Ohabolana 4 : 3

I Dada dia andry, toky, hery hoan'ny fianakaviana. Na reraka aza i Dada rehefa iny avy miasa na nandeha nitady izay mahasoa iny dia matetika no mbola tsy maintsy misikina mifanampy amin'ny ao an-trano ny amin'izay rehetra mbola tsy vita nefa tokony atao. Toa njary rehareha fa tena mahavita i Dada, mafy be i Dada. Na efa marary aza dia mbola tsy maintsy miaritra ary mitsangana hoan'ny ankohonany mba tsy hitsangamenatra manoloana ny manodidina rehetra. Faly ery ny ao an-trano fa tena mahefa be i Dada ary sambatra manana azy. Izany tokoa dia tena manaporofo ary milaza ankariary zanak'ikaky aho ary mahasaropiaro azy izahay eo ambany elany. Vizana izy fa raha mbola misy ilana azy dia eo foana izy. Hizarana ny zavatra rehetra ary miara-mitondra izany koa amin'ireo maminy. Manampy amin'izay ala-olana afaka atao. Miaro amin'izay mety ho loza na atambo...sns.
Taratrin'ny toetran'Andriamanitra Ray amintsika zanany tokoa izany. Tsy mijanona amin'ny fitadiavam-bola sy ny fikatsahana izay mety hoan'ny tokantranony fotsiny i Dada fa lohany amin'ny zavatra rehetra ary fitaratra hitarafana.

Koa amin'izao fetin'ny ray izao dia miarahaba ireo ray rehetra ho ela velona hahatontosa ny adidy masina napetrak'Andriamanitra aminareo indrindra ny ao an-tokantrano.
Natokisan'Andriamanitra ianareo dia nomeny andraikitra amin'izany. Tsy mora fa mahereza.

Hoy indrindra ny tenin'Andriamanitra hoe: "Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina*. [*Na: ho hita ho hendry]" — Josoa 1 : 8

Ho antsika tsy manana ray intsony, aza adino fa hain'Andriamanitra foana ny mahasoa antsika ary tsy tokony alahelo isika satria Andriamanitra dia tena raintsika amin'ny zavatra rehetra. Tena miahy ny momba antsika Izy ka aza manalavitra Azy. Mbola mahavita be lavitra noho i dada aza Izy.

Tianay Dada, tsy manampaharoa.

Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana* no hany malala teo imason'ineny. [*Hebreo: malemilemy] — Ohabolana 4 : 3Tena fitahiana h...
31/05/2026

Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana* no hany malala teo imason'ineny. [*Hebreo: malemilemy] — Ohabolana 4 : 3

Tena fitahiana hoanay zanaka ny fisianareo Neny. Tsy hoanay irery fa ianareo no mampiavaka ny ankohonana izay hiarahana amin'i dada sady mahatonga azy ho reharehany amin'ny rehetra. Ianareo no manome tanana ary manome fitiavana ka toa njary hery manosika handrosoana amin'ny java-tsarotra lalovana. Ianareo no toa lasa jiro hitsilovana ny lalana raha maizimaizina sy misy zavona satria efa teo tokoa no nandalo ka mahalala tsara na ny mety hampienjera na ny mety hahasolafaka.

Na ny fiaraha-monina aza, ny fokontany, ny fikambanana sy ny fiangonana, eny, hatramin'ny firenena koa dia migoaka ny hatsaran'ny fon'i Neny.

Raha tsy i Neny tokoa dia tsy nisy vanimbanink'olona ny rehetra. I Neny no nitaiza sy nasiaka ary tena sarotiny mihitsy hatramin'ny kely indrindra. Nikapoka raha nilaina, nisafosafo raha nitady. Tena nanome fitiavana be.

Na narary na salama, na ravo na tomamy, na adala na hendry... Dia teo foana i Neny noho ny fitiavan'i Neny. Nanohana sy nampitraka.

Mahereza sy mahatanjaha ary mitombo fahasalamana sy fifaliana i Neny maminay.

Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho. — Josoa 1 : 5

Ho tahiana hatrany anie i Neny ary hitohy ho fitahiana foana.

Tianay Neny, misaotra misy.

Ho antsika tsy manana intsony dia tsarovy fa ny fitiavan'i Neny tsy miova ary Andriamanitra tsy adala fa fantany tsara izay mety sy mahasoa antsika. Mitohiza mahatoky Azy dia ho hitantsika ny fahalehibiazany. Na tsy eo aza i Neny dia misy olona omeny sy hatsangany eo hameno ny banga na dia hoe hafa ihany aza i Neny. Aleo mankasitraka fotsiny.

Tsy haiko ianareo fa ny zavatra tiako, na ireo mahaliana ahy dia tena hahitako fotoana manokana foana na toa ahoana na t...
15/05/2026

Tsy haiko ianareo fa ny zavatra tiako, na ireo mahaliana ahy dia tena hahitako fotoana manokana foana na toa ahoana na toa ahoana ny fahafenoan'ny drafitr'asa sy lamin-javatra tokony ho atao mandritra ny andro. Tsy mahatsiaro reraka aho na kivy na alim-be aza no tsy maintsy hiaretan-tory. Eny, fa na tsy maintsy hifohazana maraim-be mbola alina koa aza, na mangiran-dratsy. Na marary sy tsy mahazo aina aza dia mbola andao foana ihany...
Ohatran'ny hoe mora kely izany na dia sarotra aza ny hahafahana miatrika azy sy manantanteraka izay kinasa sy vina. Maika hahita vokatra sady manantena vokatra be dia na dia toy ny hoe mafy aza ny hatrehina dia toa afaka mijoro sy miady, manohy ny hazakazaka ihany.
Misy fotoana voatery miato kely, mianjera, mitomany, tezitra... Fa ao anatin'ny zotra daholo izany. Indraindray aza ny olona heverina fa manohana toa manjary antoko mpanohitra izany. Fa nefa ilaina ihany izany handrefesana sy hahitana ny zava-misy raha efa nivoaka ny lalana na mbola ao ihany manohy ny hazakazaka.
Rehefa ilay tena mahatsiaro valaka be iny dia mibanjina izay zava-misy sy vita, ary heverina fa tsara na dia ohatra hoe kely sy tsy dia misy dikany loatra aza dia ohatran'ny mahazo hery indray hanohizana.
Miato fa manohy avy eo, mijanona kely fa tsy mijanona ela. Mila tohizana ny dia mba hibatana ny amboara sy handrombahana ny loka. Amin'ny maha-olona miaina tokoa dia tsy mandao ny velona rehetra ny adidy aman'andraikitra amin'ny manodidina fa indrindra moa eo anivon'ny ankohonana.
Ka dia tena ilaina ny mianatra mandanjalanja ny fitiavana ireo akaikin'ny fo sy ny fitiavana hanefana ny antom-pisiana. Samy olona tokoa no hiantefana ary antom-pahavelomana.
Fa ny zavatra tena tsy azo adinoina na atao ambanin-javatra indrindra ao anatiny sy mandritra ny hazakazaka dia ny mifandray amin'ilay anton-javatra sy mahatonga ny fisian-javatra rehetra. Ary mahatontosa sy manome ny zavatra rehetra. Na mandeha na tsia, na tratra ny tanjona na tsy tratra aza ny tarigetra na mafy aza ny manjo dia tsy tokony hisaraka Aminy velively isika. Eny fa na metimety daholo koa aza ny atao ka tsy misy ahiana loatra dia tokony hanao Azy ho laharam-pahamehina hatrany eo@fiainantsika manontolo isika. Tokony Izy no 'Number One'. Loharano fototrin'ny fiainana Izy.




DIEU VEUT TOUCHER LÀ OÙ ÇA FAIT MALÊtre une jeune fille chrétienne ne signifie pas ne jamais être blessée.On peut aimer ...
28/01/2026

DIEU VEUT TOUCHER LÀ OÙ ÇA FAIT MAL

Être une jeune fille chrétienne ne signifie pas ne jamais être blessée.
On peut aimer Dieu sincèrement
et porter des douleurs silencieuses.
Mais la bonne nouvelle,
c’est que Dieu ne contourne pas la douleur : Il la guérit.

1️⃣ Les blessures que la jeune fille porte en silence

Beaucoup sourient, servent, chantent,
mais à l’intérieur il y a :
• le rejet
• l’abandon
• les comparaisons
• les paroles blessantes
• les déceptions affectives

👉 Ce que tu tais n’a pas disparu. Dieu le voit.

2️⃣ Pourquoi Dieu veut toucher ce qui fait mal

Dieu ne guérit pas pour exposer,
Il guérit pour libérer.
Une blessure non guérie peut :
• influencer tes choix
• affecter ton estime
• t’amener à accepter moins que ce que Dieu a prévu

👉 Dieu veut te restaurer avant de t’emmener plus loin.

3️⃣ La blessure émotionnelle n’est pas un manque de foi

Pleurer ne signifie pas être faible.
Souffrir ne veut pas dire être loin de Dieu.
Même Jésus a pleuré.
👉 La guérison commence quand on arrête de se juger soi-même.

4️⃣ Ce que Dieu veut faire dans ton cœur

Dieu veut :
• remplacer la honte par la paix
• remplacer la peur par la sécurité
• remplacer les mensonges par la vérité
• restaurer ton identité

👉 Dieu ne répare pas seulement… Il renouvelle.

5️⃣ Comment Dieu touche là où ça fait mal
• Par Sa Parole
• Par la prière sincère
• Par la vérité dite avec amour
• Par l’accompagnement spirituel

👉 La guérison est un processus, pas un instant magique.

Dieu veut toucher là où ça fait mal,
non pour te faire revivre la douleur,
mais pour te redonner la joie, la paix et l’espérance.

👉 Tu n’es pas brisée pour toujours.
Tu es en restauration.

🙏 Prière

Seigneur,
je te confie mes blessures cachées.
Touche mon cœur là où j’ai mal.
Guéris-moi, restaure-moi,
et aide-moi à marcher librement.
Amen.
𝐉𝐞𝐮𝐧𝐞 𝐟𝐢𝐥𝐥𝐞 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐉𝐄𝐒𝐔𝐒

Tena nisyIzaho sy ny fitiavako manaingo moa no nandrisika ahy hirotsaka amin'ny sehatry ny fanaingoana. Indray andro iza...
12/01/2026

Tena nisy

Izaho sy ny fitiavako manaingo moa no nandrisika ahy hirotsaka amin'ny sehatry ny fanaingoana. Indray andro izay nahita zavatra tiako aho sady afaka hampiasaiko amin'ny zavatra maro hiangaliako. Niresaka izahay mivady dia raikitra fa halaina izany fitaovana izany. Niady varotra ary nampirimina ny entana. Gaga fa mody kely be dia be fa sady navesatra no nibotsina.
Nojerena ny fahafahana rehefa tafavoaka ny tsena, tsy afaka maka fiara karetsaka fa mety afaka handeha fiara hiombonana.

Nijanona ny fiara teo amin'ny fiajnonany fa niady varotra saran-dalana tsy ampy 300ar ilay volanay. Efa ora roa izahay anefa no teo. Nisy karazan'olona manodidina anay fa toa mijery fotsiny. Misy no te hiteny hoe nividy tsy nahalala maty. Misy ny mivandravandra toa hanaikitra. Misy olom-patantra aza nandalo fa misy ny hoe iry ny bus-ko dia lasa, misy hoe maikamaika, misy ny manao fialan'ny jiosy. Misy indray toa te hiteny hoe izahay ve tsy pisoloky. Misy toa te hiteny hoe ny paozinay ve dia tsy hanana vola...

Ny fotoana mandeha sao hariva ihany ka ho maika olana dia nanapa-kevitra fa izahay mianaka handeha tongotra fa i ramose no mandeha fiara miaraka amin'ny entam-be dia any an-trano ny fotoana. Hoentiny avokoa izay manelingelina anay.
Indro nisy olona nikitika aho hoe ity misy 300ar. Gaga aho, SDF izy ary efa ela hono izahay no tazany teo ary henony sy hitany daholo ny zava-nisy teo. Izaho moa tonga dia nitomany, tsy tanako ny ranomasoko. Tsy nahalala menatra na teny amin'ny arabe aza. Dia niresaka teo izy sy ny vadiko. Ny henoko fotsiny dia hoe efa teo aho no niala ary fantatro tsara io mahazo anareo io. Vao vantany vita anefa ny fisaorana dia tsy hita izy. Tsy hainay na toerana fandehanany iny na aiza no faritra tena hahitana azy... Na ny endriny aza tsy tena voajeriko akory fa ny bikany no fantatro raha hitako.

Indro tonga ny fiara inona hoy ianareo. Olona mahafantatra ahy ilay saofera, "ndao miakara hoy izy, i ramose naka aloha niaraka amin'ny entana izahay mianaka tao aoriany" vao hiomana hamoaka vola aho dia niteny izy hoe "tsy mandoa saran-dalana lesy ny entan'ireo fa izy mivady ihany a!" Latsaka indray ny ranomasoko, ohatran'ny nahalala ny zava-nisy izany izy nefa tsy fantany akory. Nitohy niresaka teo moa izy roalahy, be resaka koa moa io ranamana io hatramin'izay. Tonga amin'izany tanana dia na manga aza ny tafa dia tsy maintsy misaraka. Nila ady amin'izay ity mpanampy azy. Novaliany sady tsy taitra akory izy hoe "na ohatrinona na ohatrinona hecerin'ialahy dia fantatra foana ny fotoana sy ny olona tokony hakana vola. Hay koa ny afaka manao sy tsia loatra fa tsy vola vola foana ny fiainana." Hitako tena sosotra mafy ny fony. Nefa misy fotoana tsy ampy ny vola hamerenana dia matetika izahay no tsy maintsy mandray satria tonga amin'ny toerana aleha. Vitsiana ny mba hoe manome mihoatra noho ny majinika tsy ampy. Dia mihoatra 200ar na 300ar ny famerim-bola azo. "Mbola hanam-bady aman-janaka ialahy hoy izy, mbola handeha lavitra ihany koa dia hohitan'ialahy izany. Mbola mianatra ialahy..." Izay hoy izy satria aho nisava vola dia saika hanolotra dia "aok'izao hoy izy fa ataovy "goûter" -n'ny kilonga sady mbola be no azo hifanaovana no efa betsaka no nifanaovana fa raha mbola velon'aina dia mifankahita eny ihany. Fianarana ny fiainana, na ianareo aza mbola mbola maro no holalovana fa aza kivy hoy izy fa raha mbola manao ny tsara hoampian'Andriamanitra eny foana..."

Nanokana fotoana izahay niverenana teny amin'ilay toerana niantsonan'ny fiara hitady io olona SDF io fa tsy nety hitanay izy. Ary hatramin'izao aza dia rehefa makany dia mbola mitazana ihany sao eny ihany izy.

Tena tsy ny isan'ny vola na ny fanana sy ny fahafahana tokoa no handrefesana ny maha-olona manam-panahy. Ary tsy ny saranga na ny asa atao na ny toerana azo no hitarafana ny haben'ny fitiavana.
Misy tokoa na afaka manome mihoatra aza dia mijery fotsiny. Misy ny manontany ny ory ny hananany fa raha tsy lazainy mialona dia heveriny fa mikajy ny am-paosiny. Misy ny manome ihany fa mikajy izay hiverina aminy raha tsy mijery voninahitra na dera na miseho ho mahavita. Misy indray tsy manome mihitsy fa matahotra ambakaina na voasoloky na hifindran'ny fahantran'ny hafa na ny olany. Misy indray no efa voafetsy matetika ka lasa manidy tanana. Misy ny manana afaka omena sy hatolotra fa mody tsy mahita na mahare raha hantonina satria hoe mafy no nahazoany ireo ka mba miezaha koa. Misy koa ireo mailomailo be raha vao tsy manana noho izy no miezaka mifandray aminy. Misy koa ireo mifidy omena noho ny antony maro...

Izaho, ianao, isika ve mba olon'ny fanahy? Isika ve mba manam-pitiavana? Isika ve ilay miandry tolorana foana sa mba manome fitiavana? Tsy amin'ny resaka vola ihany fa amin'ny atao na fiteny na hafa koa?...

Ny zaza tolorana foana ny lehibe no afaka manapa-kevitra hoe hanome na handray indray amin'ny fotoana iray. Na dia ny zaza aza anefa dia afaka beazina hahay hizara fitia amin'ny manodidina azy ka afaka manokatra tanana manome.

Tao anatin'ny taona iray dia maro ny sedra nolalovanay. Tao ny ala-botry nahaverezana ny fitaovam-piasana sy ny akoho am...
02/01/2026

Tao anatin'ny taona iray dia maro ny sedra nolalovanay. Tao ny ala-botry nahaverezana ny fitaovam-piasana sy ny akoho amam-borona, ny fidiran'ny olona antsokosoko ao an-tokotany maka izay mahaliana azy rehetra, ny fiatrehina marary, ny fanenjehina satria hoe manana an'Andriamanitra nefa be ady atrehina noho ny tsy manana Azy, ny fanaratsiana sy ny tondro molotra, ny fandaozan'ny tiana ny tena, ny fanaovan'ny olona heverina akaiky ny tena ho tsy misy... Ny tsy maintsy nanaovana sy nanatsarana foto-drafitr'asa fanatsarana ny trano honenana, ny tsy maintsy nanapahana hevitra fa hanomboka ny asa niantsoana raha vao tsy tapitra ela akory ny fiatrehina ireo zavatra maro ireo na iza eo, na iza manohana na iza tsy te hahalala.

Na dia teo tokoa aza izany rehetra izany dia ny adidy sy ny andraikitra tao an-tokantrano sy ny fianakaviana sy ny hafa tsy maintsy noheverina. Ary ny andavan'androm-piainana tsy maintsy hihainana.

Nandalo teo aminay ny karazana olona fetsy ratsy sy ratsy fanahy, fa Andriamanitra koa teo ho anay ary tafavoaka ihany.
Nandalo teo aminay ny olona fatsora fa teo Andriamanitra tsy nandao.
Nandalo ny mpangalatra sy ny mpisoloky fa Andriamanitra tsy niala.
Nandalo ny tsy fisian'asa fa Andriamanitra nanomba.
Nandalo ny adin-tsaina sy harerahana fa Andriamanitra nitantana.

Tsy nahatsiaro izahay hoe niala na nandao anay Izy na indray mandeha monja aza. Eny, nifamaofao tao ny ranomaso, ny toloko, hasosorana hatezerana... Fa tena tsapanay fa tsy irery izahay niatrika ireo karazan'olana na dia ny teo tsy tapitra ny teo tonga ihany. Ary nanampy anay tamin'ny fomba tsy takatray Andriamanitra, nandefa olona sy nanome fahafahana isan-karazany.
Teo dia fantatray fa manohana ary miandany aminay Andriamanitra. Fantatray fa samy mbola hahazo ny anjarany ny tsirairay, samy mamafy ary samy mbola hijinja.

Tafavoaka ihany izahay na dia nifangaroharo be tao aza ny karazana fihentsem-po. Ny tsy maintsy nanaovana fanampahan-kevitra maro isan-karazany hahafahana miatrika sy manohy ny lalana. Tsy maintsy nanao safidy na dia mafy aza ny nandraisana izany.

Maro ny zavatra nianarana na tamin'ny fiatrehina ara-tsaina na tamin'ny fanatanjahana ny tena, na tamin'ny fijoroana ara-panahy niatrehina ireo, na ny teo amin'ny fifandraisana. Eny, mafy ny nianarana azy fa mitohy mianatra. Misy amin'ireo no mbola mampanontany tena hoe fa dia nahoana loatra re. Fa arak'ilay hoe aza avela hanontany aho, ny amin'ny anton'ny hatsiaka sy hafanana... Dia mino aho (izahay) fa tsy fandringanana no anton'izao fa hanehoana ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny fahasoavany eo amin'ny fiainanay.

Efa nivoaka mpandresy izahay tamin'ny lafiny maro tamin'ireo ary mbola mitohy ny tolona sy ny ady. Tsy maintsy mpandresy isika rehefa miaraka mandeha amin'Andriamanitra.

Ka amin'izao taona vaovao izao dia miarahaba anao sy ny ankohonanao tratry ny taona 2026. Hitombo arak'izany anie ny soa sy ny fahatsaran'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika. Ary dia hitombo amin'ny fitiavana sy fahalalana Azy bebe kokoa isika amin'ny andavan'androm-piainantsika.

Sitraka, Mampitasoa ary Fitiavana.

Ny maha-"cordon-bleu" ny "cordon bleu" dia tsy ny fahaizana mamoaka tsiron-kanina ihany akory na ny hatsaran'ny endrika ...
22/12/2025

Ny maha-"cordon-bleu" ny "cordon bleu" dia tsy ny fahaizana mamoaka tsiron-kanina ihany akory na ny hatsaran'ny endrika ivelany ho jeren'ny maso fa indrindra indrindra ny fahaizana mamoaka ny otrik'aina ilain'ny vatana sy ny fampivadiana ny otrik'aina hita ao anaty sakafo tsirairay mba hahasalama ny olona karakarainy.

Ny mampalahelo dia betsaka ny "chef" ary amin'ny sokajiny avy raha lakozia no resahana saingy variana eny amin'ny kanto hamoky ny maso sy ny lela fa vitsiana no mifantoka amin'ny fahasalaman'ny mpanjifa.
Taraiky anaty "recette commerciale" avokoa ny ankamaroiny.

Ary na ny kilia koa aza dia variana amin'ny endrika amam-bikan'ny kaly fa tsy mihevitra izay hahasalama azy intsony. "Dommage".

.
.
.

Akaiky izao ny vanim-potoana fankalazana ny krismasy sy taom-baovao ary tsy ratsy ny mifety fa tsara heverina ihany izay hanina hohanina.

Address

Antananarivo
103

Telephone

+261329948493

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mampita Soa-Arts posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share