Port-Bergé 419 - SOFIA

Port-Bergé 419 - SOFIA Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Port-Bergé 419 - SOFIA, Port-Bergé.

📷 Toujours Port-Bergé Urbaine🇲🇬Dimanche 28 Janvier 2024
28/01/2024

📷 Toujours Port-Bergé Urbaine🇲🇬
Dimanche 28 Janvier 2024

❤️❤️❤️ COMMUNE URBAINE PORT-BERGE, 13 Décembre 2023.Sary tamin'ny quartiers vitsy: Mahasalama, Tsararivotra, Ambohimalaz...
13/12/2023

❤️❤️❤️ COMMUNE URBAINE PORT-BERGE, 13 Décembre 2023.

Sary tamin'ny quartiers vitsy: Mahasalama, Tsararivotra, Ambohimalaza, Ankorovaka, Manarimaevaloka🥰🥰🥰.

PorPort-Bergé 419 - SOFIA9Port-Bergé 419 - SOFIAPort-Bergé 419 - SOFIAPort-Bergé 419 - SOFIAmahangoma , maitso ny tontolo 😍😍😘

Hankalazaina mandritra 10 volana ny faha-30 taonan'ny Lycée Port-Bergé 🙋📗 Hanomboka amin'ny zoma 15 Desambra 2023 ho avy...
02/12/2023

Hankalazaina mandritra 10 volana ny faha-30 taonan'ny Lycée Port-Bergé 🙋

📗 Hanomboka amin'ny zoma 15 Desambra 2023 ho avy io ny fankalazana ny faha-30 taonan'ny Lycée Port-Bergé (DREN Sofia) izay nampitondraina teny filamatra hoe : «LYCEE PORT-BERGE : Mikolokolo sy Manabe ny tontolo ao aminy amin'ny Fampandrosoana Lovain-jafy ary andraindrain'ny hafa»

📗 Tanjona maromaro no kendrena amin'izao fanamarihana hatao izao dia ny fananganana tsangam-bato, Fanomezana anarana Lycée, Fanamboarana Takela-pamantarana na "Plaque" eny amin'ny vavahady, Fanontana Tee-shirt ary ny Fananganana Salle des Profs.

📗 Any amin'ny volana Oktobra 2024 vao hifarana ny fankalazana. Hetsika isan-karazany no hatao mandritra izay 10 volana izay. (Mila mahatsapa tena isika maintimolaly).

📗 Toy izao ny fandaharam-potoana amin'io fanokafana amin'ny zoma 15 desambra io:

1_ Tapany maraina :
- Fanaovana carnaval izay andraisan'ny mpianatra, mpampianatra ary ireo Ray aman-dReny anjara
- Kabary ifandimbiasana (ao amin'ny Lycée ny toerana)
- Fiarahana manala hetaheta (cocktail) iarahana amin'ireo nahazo fanasana

2_ Tapany hariva :
- Folak'andro dia hisy hetsika hetsika ara-kolontsaina toy ny fampisehoana dihy,..sns izay hatao ao amin'ny Tranompokonolona
- Amin'ny alina kosa hisy ny alim-pandihazana (Disco) ao an-tranompokolona ihany.

📗 Fanentanana : Entanina antsika manana talenta azo andravahana io fankalazana io mba samy hanao izany fa tsy hanenenana. Ohatra amin'izany ny hira, tononkalo, logo, ...

👉 Zarao mba ho hitan'ny namana !
Nalaina tamin'ny page Gabin Eloi Avilazaa

Nankalazaigny teto Port-Bergé tanagnanazy ny faha-19 tagno nitirahan'ny Groupe Mahangoma tarihin'ny mpanakanto Vaiavy Ch...
13/07/2023

Nankalazaigny teto Port-Bergé tanagnanazy ny faha-19 tagno nitirahan'ny Groupe Mahangoma tarihin'ny mpanakanto Vaiavy Chila tamin'ny sabôtsy 08 sy alahady 09 Juillet 2023 teo.
Hetsiky isan-karazany nahafanain'ny mpanakanto vitsivitsy no nagnamarihagna ny fety. Tonga nagnôtrogno ny lanonagna ireo mpitondra maro.

Bonne continuation notre star Chilaristine Soamazava

Mandritra volagna Juin tô no agnamarihagna ny volagna raiky ho an'ny zaza. Ny Minisiteran'ny Mponina no tompoon'andraiki...
13/06/2023

Mandritra volagna Juin tô no agnamarihagna ny volagna raiky ho an'ny zaza. Ny Minisiteran'ny Mponina no tompoon'andraikitra voalohany amin'izany.

"Antoka ny ho avy mamiratry ny ankizy ny anio" no lohahevitry amin'ny tagno 2023 misy atsika zeo io.

Teto Port-Bergé pôsotro no nanokafagna tamin'ny fomba ofisialy ho an'ny ato agnatin'ny Faritry Sofia nomoaligny tinainy 12 Juin. Ny Talem-paritry ny Mponina ato amin'ny Faritry Sofia sy ny Lehiben'ny Disitrika aketo Port-Bergé no nitarika ny lanonagna. Avake naterin'ologno maro : ireo tompon'andraikitra hafa sy zareo zaza tômpin'ny tsaboraha.

Vita niany tinainy 05 Juin 2023 narandraigny ny fitokanagna vôvôn-drano ao amin'ny Fonja eto Port-Bergé. Izy io dia fagn...
05/06/2023

Vita niany tinainy 05 Juin 2023 narandraigny ny fitokanagna vôvôn-drano ao amin'ny Fonja eto Port-Bergé. Izy io dia fagnomezagna avy tamin'ny Fiangonagna Katôlika antanagna aketo. Ravoravo zareo ao amin'ny Fonja nahazo raha zany kay nisaotra ny mpagnome.

𝙏𝙊𝙈𝘽𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙏𝙊𝙀𝙏𝙍𝙔 𝙉𝙔 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 | 05 Jona 20231️⃣   Ny Maraina : Hanorana malefaka any amin'ny morontsirak'i Antalaha sy Anala...
04/06/2023

𝙏𝙊𝙈𝘽𝘼𝙉’𝙉𝙔 𝙏𝙊𝙀𝙏𝙍𝙔 𝙉𝙔 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊 | 05 Jona 2023

1️⃣ Ny Maraina :
Hanorana malefaka any amin'ny morontsirak'i Antalaha sy Analanjirofo. Handrahona any Sava, Atsinanana ary ny ilany atsinanan'i Sofia. Hisy andian-javona ny vao maraina any amin'ny afovoan-tany. Handrahona mitsitokotoko na hibaliaka ny masoandro any an-kafa.

2️⃣ Ny Tolakandro :
Hanorana malefaka any amin'ny tapany atsimon'i Sava ary ny morontsirak'i Analanjirofo. Handrahona mitsitokotoko na hibaliaka ny masoandro any an-kafa.

3️⃣ Ny Maripana :
Antananarivo 14 / 26 Antsirabe 11 / 25 Fianarantsoa 13 / 24 Morondava 21 / 30 Mananjary 17 / 30 Farafangana 18 / 28 Nosy-Be 20 / 32 Toamasina 18 / 29 Mahajanga 21 / 33 Taolagnaro 19 / 30 Sainte-Marie 19 / 30 Toliara 18 / 36 Antsiranana 20 / 31 Antalaha 23 / 32 Maintirano 21 / 35 Maevatanana 21 / 36 Ambositra 11 / 25 Ranohira 16 / 24

🔑 Météo Madagascar

Indahy samy hivolagna tanagna faviagna amin'ny Disitrikin'i Port-Bergé aby atsika lehy avy ato. Fa lehy vahiny mipetraka...
04/06/2023

Indahy samy hivolagna tanagna faviagna amin'ny Disitrikin'i Port-Bergé aby atsika lehy avy ato. Fa lehy vahiny mipetraka aketo magnambara tany pitrahany na ambanivôhotro na pôsotro.

Hanomboko azy zaho : Avy Ampômbimivango, kôminina Maivaranohely Babako fa Niniky ndriky avy Ankoby mbola kôminina raiky fogna. Zaho tômbo teto Banja ary mbola nampôdin'ny Zagnahary hipetraka aketo aminjeo io. Tsaramandroso Gara zaho mipetraka fa tao Tsararivotro zahay mbola hely.

Alefaso koa nihinao biaka atsika fankahay 😍😍😍

Miarahaba eee! Araho ny Pejy !
04/06/2023

Miarahaba eee! Araho ny Pejy !

Address

Port-Bergé

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Port-Bergé 419 - SOFIA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share