05/08/2026
📸 Ity sary ity no fiandohan'ny tantaran'i Kapok Design.
28 Jolay 2021. Vente-expo voalohany. Tsy mbola nahalala ny fandehany izahay. Tsy nisy traikefa, tsy nisy antoka, fa nisy nofy lehibe sy fahavononana hanomboka.
Niasa andro aman'alina ny ekipa mba hamokatra ireo vokatra haseho. Tao ambadik'ireo loko sy tsiky hita amin'ity sary ity dia nisy havizanana, tebiteby ary fanontaniana iray niverimberina: "Hisy hividy ve?"
Naharitra telo andro ilay vente-expo. Betsaka ny mpitsidika, saingy mbola vitsy ny varotra.
Tsaroanay indrindra ilay vendeuse kelinay. Falifaly sy be herim-po izy isan'andro, nefa tamin'io vente-expo io dia nilaza tamim-pahakiviana hoe:
"Farany sady voalohany hanaovako vente-expo "
Tsy fantatray tamin'izany fotoana izany fa io traikefa io no ho iray amin'ireo lesona lehibe indrindra tamin'ny dian'i Kapok Design.
Nianaranay fa tsy ampy ny manana vokatra tsara. Mila hita, fantatra ary atokisan'ny olona koa ny marikao.
Ankehitriny, isaky ny mandray anjara amin'ny vente-expo izahay dia tsy mijery ny varotra ihany, fa mijery ihany koa ny fifandraisana aorina, ny olona mahafantatra anay, ary ny fahafahana misokatra ho an'ny ho avy.
✨ Ny succès dia tsy tonga tampoka. Manomboka amin'ny dingana kely, lesona maro ary faharetana.
💚 Ary ianao? Taiza no nahitanao voalohany an'i Kapok Design? Zarao aminay ao amin'ny commentaire.