08/06/2026
Te hampitafy ny mpiasanao amin'ny akanjo tsara rindra, mateza ary manaja ny maha-izy azy ve ianao?
Eto amin’ny HATSARANA MLG, tsy vitan'ny hoe manjaitra akanjo fiasana mifanaraka amin'ny sehatr'asa rehetra izahay, fa mametraka ny fonao sy ny fahaiza-manao eo amin'ny kofehy tsirairay avy.
Ireo asa tanana azonao safidiana:
- Ho an'ny mpitsabo sy ny fahasalamana: Blouses sy fitafiana malalaka, madio ary mampiadana mandritra ny asa.
- Ho an'ny mpiasan'ny birao sy fandraisana vahiny: Uniformes tsara rindra, kanto ary manome haja ny orinasanao.
- Ho an'ny asa tany sy ny indostria: Combinaisons sy akanjo matanjaka, miaro tsara ary tsy tonta kely.
- Ho an'ny mpanadio sy mpanampy: Akanjo maivana, mora mihetsika ary mateza.
- Akanjo manokana: Ampifanarahana tsara amin'ny loko sy ny kisary (logo) mampiavaka ny marikao.
🌟 Ny tena mampiavaka anay :
Ny fandraisana anjara ara-tsosialy
Raha misafidy ny HATSARANA ianao, dia tsy mividy akanjo fotsiny, fa manova fiainan'olona. Ny atrikasa fitaizana anay mantany mantsy dia manampy sy mampiasa vehivavy miatrika fahasahiranana eo amin'ny fiainana. Omena fiofanana sy asa mendrika izy ireo mba ho afaka hivelona sy hitozo samirery amin'ny hoaviny.
🏆 Ny toky omenay anao:
✅ Tsara sady mateza: Lamba voafantina manokana mba ho madiodio sy hahazaka ny fampiasana isan'andro.
✅ Namboarina ho anao: Araka ny refy sy ny dika tianao hitondrana azy.
✅ Vokatra vita malagasy: Hakingan-tanana sy fahaizana eto an-toerana no hovalianao soa
Aza misalasala manoratra aminay :
Tel : 034 02 729 99
Email : [email protected]