11/10/2026
❌🙅🏼 TANDREMO 🏗️🧱
Efa nozaraiko teto fa raha misy asa mafy dia ny manarina ny tsy mety nataon'olona hafa 😭😭😭
Azafady ry namako isany fa masika kely aho androany no hiresaka aminareo 😤
☝🏼 Ho antsika mpandrafitra
💡 Raha mbola tsy hay ilay asa dia aleo aloha manaraka olona ihany fa tsy mandray antoka, kouny annn 🙏🏼
💡 Mba miangavy zalah ann, aza matikena-maso fa rehefa hoe hita fa tsy vita dia aleo hajanona
💡 Betsaka bé ianareo no mitsoraka (miditra @ prix tsy izy), dia zary lasa manao asa ala-safay (mifona aho tompoko, aza mba manao an'izany 🙏🏼)
☝🏼 Ho anareo mpanjifa
😉 Marina fa hoe tsara ny mampitovy prix fa aza dia matin'ny mora loatra 😭😭😭
😉 Raha mbola tsy manana olona mahatoky dia mahaiza manadiady tsara izay olona ho ampiasaina
😉 Mba araho maso tsara re tompoko n'y asa, na tsy hay aza fa hafa mihintsy ny fijerin'ny mpiasa rehefa eo ianareo
➡️ Fehiny : izahay dia vonona foana hanarina fa kosa lany vola mihoatra indray ianareo satria tsy mora ny manarina ny tsy mety
👌🏼 Izay ry zareo annn, teny hatsipy ho any manampanahy io, isika koa mifampitaiza no eto dia aleo misoroka toy izay mitsabo e (fa izahay aloha hitsabo ity client iray ity fa tena simba ilay tranony, fissuré bé daholo na ny trano na ny dalle, ny fausse équerre amin'io tsy lazaina intsony 😭😭😭)
Mirary Alahady sambatra ho anareo indray ary e 😎😉👍🏼
Phoenix Art Construction
Bâtir l'avenir