03/02/2026
🌳fanjar, Izaho no Amontana (Triptyque), dessins aux crayons de couleur sur papier aquarelle
Antson'ny tontolo miaina
fanjar dia manaraka ny fironan'ny sainy sy ny nofinofiny, manome endrika mahaolona ny hazo, ary mitantara ao anatin’ny asany ny fihaonany amin’ireo hazo izay manana zavatra maro holazaina amintsika.
Izy dia mpanakanto arak'endrika amam-bika mitondra antsika amin’ny fikarohana ny rafitra anatiny sy ivelan’ny hazo, amin’ny dia anaty, midina hatrany amin’ny halalin’ny fanahin’ny velona.
Ny ririnina lasa teo tany amin'ny Ala Kintana no nahitany hazo Amontana iray tokony ho 80 taona eo ho eo. Ho azy, ity hazo tsy manam-paharoa eto Madagasikara ity dia iray amin'ireo mpiaro ny tany enin-kaja.
Nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ireo olona tao dia nahafantatra izy fa ny Amontana no hazo voalohany fambolena teo amin’ny tany iray, satria ny fakany no misintona ny rano madio indrindra. Amin'ny fanarahana io "loharano" io, ny tany itomboany dia voatondraka sy mahazo soa koa.
Ankoatra izany, dia mitombo amin'ny fomba miavaka izy. Miolikolika avokoa ny tapany ambany ary miakatra mankany an-danitra avy eo. Mety mitondra filozofia manokana ve izany?
Nizara talenta tamin'ny atrik'asa atolotry Exposition Dendrophile Antson'ny tontolo miaina
tao amin'ny Zital i fanjar tamin’ny herinandro lasa sy androany.
🌳🌳fanjar suit la canopée de son imaginaire, personnifie l’arbre et raconte dans ses œuvres ses rencontres avec les qui ont tant à nous dire.
L’artiste plasticienne nous emmène ainsi dans l’exploration de l’anatomie des arbres, en un voyage intérieur, dans les profondeurs de l’âme du .
L’hiver dernier à Ala Kintana notamment, elle découvre un Amontana d’environ 80 ans, pour elle cet arbre endémique de Madagascar fait partie de ces vénérables qui gardent la terre.
Au détour d’une conversation, voici ce que l’on lui a transmis : l’Amontana est, par tradition , le premier arbre que l’on plante sur un terrain, car ses racines vont puiser l’eau la plus pure que la nappe phréatique puisse offrir. En remontant cette « source », il favorisera l’irrigation du lopin sur lequel il pousse.
Par ailleurs, il évolue d’une manière spécifique. Il est tout en courbes dans sa partie basse et ensuite, s’élève vers le ciel. Détiendrait-il une certaine philosophie ?
fanjar a offert des ateliers pour
avec ces dessins, la semaine dernière et ce jour.
, Antson'ny tontolo miaina
Une proposition de UB Ihoby Rabarijohn
En hors les murs à Flow Gallery