Masôva.

Masôva. Des outils pour
✨ Organiser ta vie
🌿 Cultiver ton bien-être
📒 Te (re) découvrir
🌸 Et révéler la meilleure version de toi-même

Papeteries et outils d'organisation
Articles de cadeaux personnalisés
Événementielle: carteries, livre d’or, nom de table, urnes, …

03/08/2026

Un nouveau mois
Une nouvelle semaine
Une nouvelle page qui commence, avec de nouvelles possibilités.
Ose rêver, crée de belles choses et fais de cette page blanche en une aventure qui te ressemble 💛

31/07/2026

Ce qu’il faut faire pour bien clôturer le mois et entamer le nouveau avec sérénités et clartés 💛

31/07/2026

Mamaky 20 pages isanandro ➡️ mahavaky boky 30 ao anatin’ny taona

Manangona 500ar isanandro ➡️ manana 182.500ar ao anatin’ny taona

Misakafo ara-pahasalamana mandritran’ny 21 andro tsy tapaka ➡️ manana fahazarana tsara mandavan-taona

Tohizo ao @ commentaire ary hoe …

👉 izay lay herin’ny fahazarana tsara isanandro. Misy boky izay manazava azy io hoan’izay liana, Atomic habits an’i James Clear sy Effets cumulés an’i Hardy Darren.

Dia natao ity carnet ity hanampy anao hamboly izay fahazarana izay. Ato ny andinindininy 👉 https://www.facebook.com/share/p/1EDsyvWtag/?mibextid=wwXIfr

📍 Rehefa manjifa ity carnet ity ianareo dia mandray anjara @ fampidirana mianatra ny ankizy sahirana ihany koa! Sady mandroso izany ianareo no manampy ny hafa koa dia misaotra sahady tia anareo sy tia ny hafa 🙏🏽 💛

28/07/2026

Tamin’ny volana décembre teo, négatif ny kaontiko tany @ banky …
Tsy nanana tahiry mihitsy aho hiatrehana zay mety imprévus ka vao nisy olana tampoka dia tonga dia sahirana ohatra hoe:

- Marary ny zaza.�- Misy zavatra simba ao an-trano.�- Misy fety na zavatra tadiavin’ny any am-pianarana.�- Na misy fandaniana tampoka tsy maintsy atao.

Dia tsy maintsy mitady vahaolana haingana.

👉 Mindrana.�👉 Mangataka avance.�👉 Na mivavaka mafy mba tsy hisy olana hafa intsony amin’ny volana ho avy 🙈

Dia tsapako fa nisy zavatra tsy nety satria niandry foana aho hoe:
�"Raha misy ambiny amin'ny faran'ny volana dia hanao épargne aho."

Fa ny tena zava-misy?

Saika tsy misy ambiny mihitsy.
Ka nanapa-kevitra aho hanova fomba.
Na kely aza… dia notereko ho tsy maintsy manao tahiry aho

Ary tsikelikely…
✅ Nihena ny tahotra rehefa misy imprévus.�✅ Tsy niaina tao anatin'ny adin-tsaina foana intsony aho.�✅ Ary hitako fa tsy ny habetsahan'ny vola no tena zava-dehibe.

Fa ny fahazarana mitahiry.

Nanampy be ahy ny fampiasana ity Cash Binder ty ary hinoako fa hanampy anao koa:
�✨ hanana tanjona mazava,�✨ hanara-maso ny tahirinao,�✨ hijanona ho motivé,�✨ ary hanangana tahiry, na dia manomboka amin'ny vola kely aza.

Satria tsy voatery miandry hoe "rehefa mahazo vola be" vao afaka manomboka mitahiry.
Ny tena zava-dehibe dia ny manomboka.

Inona ny tena sakana tsy hahafahanao manao tahiry @ zao?

‼️ vitsy kely sisa ny cash binder dispo an! Mp avy hatrany zay tena vonona hanomboka 😉

Fa maninona no tsy mety mahavita zavatra mihitsy?👉 Manomboka regime dia telo andro ihany no mahatandrina dia miverina @ ...
28/07/2026

Fa maninona no tsy mety mahavita zavatra mihitsy?

👉 Manomboka regime dia telo andro ihany no mahatandrina dia miverina @ mahazatra
👉 Te hanana vatana salama sy matanjaka fa @ voalohany ihany no mahavita mikotrana dia toa tsy manam-potoana intsony avy eo
👉 Te hanangom-bola fa mierina ihany ny volana tsy maha-angona na kely ary



Satria tsy manana DISCIPLINE!!!

Henontsika foana hoe tsy ny motivation no mitondra an’io fa ny discipline, ny marina kokoa dia ny AUTO-DISCIPLINE na lay fahaizana mibaiko ny tena hanao zavatra iray , amin’ ny fotoana tokony hanaovana azy , na tiana na tsia.

Izany hoe na tsy te hanao zavatra iray ary ianao ( mety hoe kamo na tsy motivée) dia ataonao ihany ilay izy satria mila atao.

Fa ahoana no atao hahatongavana ?

Tsy aiko nareo fa za tena fantatro zao ny tokony ataoko sy ny zavatra miandry ahy nefa tsy manao eh 🤣

Teo no nahitako fa mila système mifanaraka @ maha-izaho ahy sy ny fomba-piainako fa tsy hoe manaraka to do list fotsiny.

Rehefa tsy ny liste des tâches intsony no mitarika ny fiainanao, fa ny soatoavinao sy ny tanjonao, dia miova tsikelikely ny zava-drehetra.
✨ Ny fahasalamanao.
✨ Ny tanjonao.
✨ Ireo nofinofy na tetikasa efa nahemotrao nandritra ny taona maro.

Lasa azo tanterahina izy ireny.
Satria tsy hoe miezaka mitantana ny fiainanao fotsiny intsony ianao… Fa manorina fiainana tena mifanaraka amin'izay tianao sy maha-anao anao!

Izany indrindra no antony namoronana ity carnet “Ready for change” ity.

Carnet iray hanampy anao hanoratra ny tanjonao, hanangana fahazarana tsara ary handroso, dingana kely isan'andro.

Ho fanovàna tena izy fa tsy afaka telo andro na herinandro dia hiverina @ fahazarana teo aloha!

✅ carnet 250 pages, illustrées

✅ couverture pelliculée (mahazaka piti-drano, vovoka, masoandro)

✅ contenus: objectifs, habitudes, agendas non daté, notes

✅ format A5 (mora entina, anaty poketra na @ zao)

🏷️ vidiny: 37.500ar

‼️PS: rehefa manjifa ity carnet ty ianareo dia manohana ny asa sosialy ataon’ny ADY Fototra ary mandray anjara @ fampidirana ankizy hianatra @ taom-pianarana ho avy io! Koa mankasitraka sahady 🙏🏽

27/07/2026

5 volana sisa dia hivalona ny taona 2026 !!!

Atomboy lay tanjona tianao tratrarina e

👉 cash binder disponible

Fantatrareo ve ny tanamasoandro 🌻 ?☀️ Tsy mamelana miaraka @ voninkazo rehetra izy fa mila volana maromaro vao mamelana☀...
20/07/2026

Fantatrareo ve ny tanamasoandro 🌻 ?

☀️ Tsy mamelana miaraka @ voninkazo rehetra izy fa mila volana maromaro vao mamelana

☀️ Rehefa mbola tanora izy dia mihodina manaraka ny masoandro mandritra ny andro (heliotropisme).

☀️ Mety hahatratra 2 metatra ny fakany, ka mahatohitra hain-tany sy rivotra.

☀️ Rehefa lehibe izy dia tsy mihodina intsony, fa mijanona mitodika any atsinanana, mandray ny tara-masoandro voalohany.

☀️ Ny voany dia sakafo, ny menany ampiasaina, ary mahasarika tantely sy bibikely mpandoto.

☀️ Dia lay "voninkazo" lehibe hitantsika iny, misy voninkazo madinika an-jatony ao anatiny, ka miteraka voa maro.

☀️ Ny lokony mavo dia manintona sy manome hafaliana.

Dia mifandraika @ izay indrindra ny hafatra tianay zaraina aminareo mpanaraka ny pejy @ ty herinandro ity:

- Ndao hifantoka amin'ny hazavana.
- Arakaraka ny maha-lalina ny fototrao (soatoavina, finoana, fianakaviana...), no maha-mafy anao amin'ny fiainana.
- Aza maika fa samy manana ny fotoanany
- Ary rehefa mamony ianao, dia tsarovy fa hisy olona hahazo aingam-panahy noho ny hazavanao

Zarao amin’ireo namanao sy ny manodidina anao hitondra taramasoandro ho azy!

Shine like a sunflower. 💛

07/07/2026

Chez Masova, on croit qu'un carnet n'est pas seulement fait pour écrire des tâches.
Il est aussi là pour t'aider à construire une vie qui te ressemble 💛

👉 Écris en commentaire le chiffre que tu veux prioriser ce mois-ci :
❤️ 1 = Santé
💰 2 = Finances
🧠 3 = Développement personnel
🤍 4 = Bien-être / Vie intérieure

Ny omaly efa lasaNy rampitso, mbola ankamantatraAndroany no fotoana!Ndao hatomboka izay tokony atao … na dingana kely fo...
06/07/2026

Ny omaly efa lasa
Ny rampitso, mbola ankamantatra
Androany no fotoana!

Ndao hatomboka izay tokony atao … na dingana kely fotsiny ihany aza dia efa fanombohana, sa ahoana hoy ianao?

Inona zao ny zavatra kely afaka ataonao androany?

Mirary herinandro feno fahombiazana ho antsika rehetra 💛

Misasaka ny taona …Maro ny manao tombana hoe inona no vita sy tratra t@ ireo tanjona napetraka. Androany, ndao ho sorata...
01/07/2026

Misasaka ny taona …

Maro ny manao tombana hoe inona no vita sy tratra t@ ireo tanjona napetraka. Androany, ndao ho soratana ireo zavatra vita nefa tsy tao anaty drafitra!
Mino aho fa ho lava kokoa izay liste zay noho ireo zavatra nokasaina ho atao 😆

Matetika manko isika no mifantoka t@ izay nokasaina dia kivy hoe tsy nahomby nefa betsaka ny zavatra vitantsika teny antsefatsefany teny! Jereo anie e, hay nahavita zavatra ihany ianao ☺️

Dia rehefa vita izay, ndao jerena indray hoe aiza ho aiza ianao @ zao?

Omeo isa 1 hatramin’ny 5 ireto lafiny ireto:
🦵Vatana
🧠 Saina
🧘‍♀️ Fanahy
👯‍♀️ Fiaraha-monina
💰 Toe-karena na vola

1 👉 Tena tsy mandeha mihitsy.
2 👉 Mbola maro no mila amboarina.
3 👉 Mandeha ihany fa mbola misy azo hatsaraina.
4 👉 Efa mandeha tsara.
5 👉 Tena afa-po aho amin'io lafiny io.

Dia ahoana? Nomenao naoty firy avy izy ireo? Ireo naoty ireo indray no point de départ @ ty volana ity ary hitondra ny enim-bolana farany.
Tsy fanadinana akory fa soridalana 💛

Address

Ankadindratombo
Antananarivo
101

Telephone

+261340738292

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Masôva. posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Masôva.:

Shortcuts

Share