18/08/2026
🥚 ASTUCE DU JOUR | COMMENT SAVOIR SI UN ŒUF EST ENCORE FRAIS ? 🤔
Misy atody ao an-trano fa tsy tadidinao intsony hoe oviana no novidina? 😅
Aza ariana avy hatrany ! Andramo ity petite astuce ity 👇
💧 Ilay test amin’ny rano : ➡️ Fenoy rano mangatsiaka ny vera na récipient iray. ➡️ Apetraho moramora ao ilay atody.
🥚 Raha mandry mitsivalana eny ambany → mbola tena frais ilay atody. ✅
🥚 Raha mijoro mitsangana eny ambany → efa somary antitra, fa mbola azo ampiasaina raha voatahiry tsara.
🥚 Raha mitsingevana eny ambony → efa antitra be, aleo tsy ampiasaina. ⚠️
💡 Petit rappel : ity test ity dia manampy hamantatra ny fahafahan’ny atody, fa tsy manolo ny fanamarinana ny fofony sy ny endriny rehefa vakiana.
👉 VRAI OU FAUX ? Efa nampiasa an’ity astuce ity ve ianao? 😍
Lazao eto amin’ny commentaire 👇
✨ Cuisine & Astuces by Man’s